Ankoso bolamena (ZEZEX)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao no tena tsara
Izany no hevitrao oo
K'izay nandalo ho anao
Dia tsy mba nahafa-po anao.
Soloy isan'andro e
Ovao isan'ora
Fa rehefa momoka ny kofehy
Dia hikorisa moramora.
(x2)
Ref: Nafeninao tamin'ny tsiky
Ny toetranao mody maty
Nototofanao hatsarana
Ny fombanao izay efa ratsy
Nampoiziko toy izany iii
Naleoko ihany izaho tsy nitia ah ha ha Voafitaka aho re ry aiko ô
Nanadino ny efa ela
Hay varahina kay ity izy
Fa tsy tena volamena. (x2) ........................... Izany ry zalahy
No tanatara nisy fahiny eee
Kapainy aho anio
Ampitso indray mitsiry
Hilentika ny masoandro e
Ary tsy maintsy mody
Fa rehefa lalina kosa ny rano
Fa iza izy tsy hipody. (x2)
Ref:..................(x3)
Eeeh! Atao akory e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ZEZEX
Vangy : 2881
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : Ra-Dams
Daty : 16/08/2018 14:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0759