Ny beka - Maika aho hahitanao

Submitted by hertman rakotoniaina
30/10/2017 13:35
Ny beka - Maika aho hahitanao's song 0 Click here
Hits : 1682
Likes : 1 Like
Ireo sary niarahana náka
Tombovoka taolo
Mihidy anaty vata
Ireo boky niaraha-namaky
Adino avokoa,tsisy tavela ao anaty
Ireo toerana f'aleha teo aloha
Navelatsika ho bobongolo avokoa
Ireo hira fanaontsika hatrizay
Dia tohy ny Adino ny feo lasa tsy ahy

REF:Efa manakaiky ny fotoana,
Dia ho averin-indray ny taloha
Saika kivy ao anefa nino foana
Fa mbola ihaona indray isika roa
Na dia lavitra aza mbola tia
Tsy niala tao an-tsaiko tao
Ilay fanahinao tsara ery
Maika aho hahitanao

Ireo sary niarahana náka
Averina alaina tehirizina tsara
Ireo boky niarahana namaky
Ho vakiana indray
Mba hitoetra ao anaty
Ireo toerana naleha teo aloha
Tadiavin'indray
Ho vangiana avokoa
Ireo hira fanaon-tsika hatrizay
Haverin'indray (×2)

REF:

Comments about Ny beka - Maika aho hahitanao

No comment found

Ny beka - Maika aho hahitanao's song (0)

Audio not found

© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113