Comments about ASAFIA

Back to ASAFIA Submit a comment
zokieva ( 09/09/2015 11:51)
Mivavaha

Mivavaha ianao ka aza
Mety sasatra
Ry (nofidina) olon’ Andriamanitra
Fa ny Ray Tsitoha hihaino anao,
Hihaino fatratra
Anao izay maharitra

Ny vavaka (2) taraina sy talaho
Miloatra avy ao am-po fa fefika manjo
Ny vavaka atao mandrakariva
Na dia efa iva ny herinao
No hamaliana anao ka
Hody (2) rariny ihany ny talaho!

Mivavaha ianao ka aza
Mety sasatra ry (nofidina) olon’ Andriamanitra
zokieva ( 09/09/2015 11:50)
Efa tonga ve Jesoa?

Jesoa malala ô!
Miantso ny anaranao
Vangio re,tsidiho re
aiza e! aiza e! Ianao Jesoa
Fa reraka aho izao!

Izay ela izay
tsy nahatsiaro Anao
Maizina tamiko ny fiainana
izao anio izao,tonga ianao
Ka satriko ny hankalaza hoe:
Aleloia,dera ho Anao
zokieva ( 09/09/2015 11:49)
FANOLORAN-TENA

Raiko ô! henoy izao fivavako izao e
Fanoloran-tena mba hanao ny sitrakao
ka tolory hery ho enti-miasa ho Anao
Ary hamasino no mendrika Anao ry Ray
ô!mba henoy

Raiko ô toroy sy ampahafantaro anay e!
Ny @ fiainana homaninao ho anay
fa be ahiahy mora kivy ny manjo
ô! ahitsio sy mba tafio ilay Fanahy
Avy Aminao

zokieva ( 09/09/2015 11:48)
I_Aoreno ny finoako

1_Ry Andriamanitra Tsitoha
Misaotra Anao nampifoha
Ny fanahiko Ianao
Ny fiainako efa lao
Novelominao finoana
K'indro feno haravoana

Fiverenana:

Ny angatahiko ry Tompo
Aoreno ny finoako
Tsy hirona , tsy ho rava
Hijoro lalandava


2_Eny inoako ry Mpamonjy
Fa ny avotra sy vonjy
Efa vitanao ho ahy
Manavao ny fanahy
Manavao ny ahiahy
Ka mahatretrika ahy

3_Hamafisiko ry Tompo
Ny fahavononako hanompo
Anao ivon'ny finoako
Teninao hijoroako
Amin'ny asa izay atao
Araka izay baikonao
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1874