Moa ve Jesoa (Zicoast Rajosiahna )

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
       1-Moa ve Jesosy Izaho voafidinao
          Mba mendrika ny ho eo akaikinao
          Ny fahotako nisy hatramin'izay
          Mavesatra Mangidy mahamay

Tsy mendrika ry Tompo be fitia
Nefa nantsoina ho avotra ety
Hifonako ireo ditrako taloha
Jesosy ô ty aho hamindrao fo

Satria fantatro fa any amparany
ho potika sy ho levona ny tany
Fa ny mino sy mahatoky anao
ho sambatra sy tretrika tokoa

      2-Ny sisa  iainako ry Tompo ô
         Atokako ho andro ho anao
         Raha mila ho resy re ty zanakao
         tanana an-tananao fa miantso Anao

Tsy mendrika ry Tompo be fitia
Nefa nantsoina ho avotra ety
Hifonako ireo ditrako taloha
Jesosy ô ty aho hamindrao fo

Satria fantatro fa any amparany
ho potika sy ho levona ny tany
Fa ny mino sy mahatoky anao
ho sambatra sy tretrika tokoa

Aut/comp: Liva RAKOTOMALALA
Chanteur : Zicoast Rajosiahna
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Zicoast Rajosiahna
Hits : 3135
Likes : 0 Like
Created by : rajosiazico
Date : 13/07/2010 11:43
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
more...
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744