Miara miasa (Tsanta fanantenana (STK Andohatapenaka))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Mavesatra loatra Ray ô izao,
zioga mianjady amiko, mila hoe resy aho
izao
Kanefa Ianao, tsy hampitondra izay tsy zakako
Fa mba hampiorina ahy, no anton’izany

Na ny tsara, eny na ny ratsy koa
Azonay avy aminao Tompo ô
Dia fantatray f’Ianao no miasa
Eo amin’ny fiainanay
Izay nomenao, tsy ho laviko fa
Isaorako ny anaranao Tompo o!
Miara miasa, sy mahasoaHo ahy ny zava-drehetra

2)Indraindray manome tsiny anao aho Ray
Amin-java mahazo ahy sy izay mitranga manoloana
Izany anefa tsy handavako ny teninao
Hoe miasa aho ka ekeo, ny fandaharako

Na ny tsara, eny na ny ratsy koa
Azonay avy aminao Tompo ô
Dia fantatray f’Ianao no miasa
Eo amin’ny fiainanayIzay nomenao,
tsy ho laviko fa
Isaorako ny anaranao Tompo o!
Miara miasa, sy mahasoa
Ho ahy ny zava-drehetra

Ampy ho ahy (ampy ho ahy ianao Jeso)
Mamiko ny teninao (mamiko ny teninao)
ooooooo
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tsanta fanantenana (STK Andohatapenaka)
Hits : 24
Likes : 0 Like
Created by : 1991paradise
Date : 19/03/2026 06:31
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0789