Fafalamaka (Tarika TARY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza mbola manakana piklà
Asio fafalamaka vao mi-pà
Apetraho aloha ny pôketranao madama
Tsy impiry tafaraka anie ny akama

Lakle an'ny trano aloha hamarino
Ny finday sy ny satroka sao adino
Ny addition an'ialahy ve efa mba voaloa
Dia ( mila miharitra kely aloha) 3

Fiv
Na dia efa samy efa valaka
dia manatokatona mitambatra
(Aza adino)2 ilay (fafalamaka e)2
(Mila atao sonia ny latabatra)...4

Aza mbola tsoahana aloha ny fil
Aza mbola roasina koa ny kil
Izay mamomamo aza mafy loha
Ajanony, avelao ilay kodiaran-droa

Raha tsy te-hifanena amin'ny nenitoa
Aza mandeha irery fa andraso aloha
Asio horakoraka (mafy be)3
(Asio verre de l'am vao mandeha)3

Fiv

Ny zaza isao sao tsy complet
Fa tsy hoe mandeha ny mandeha
Jereo ihany fa na dia mandeha ilay py
sao ny vadinareo no tavela aty

Miara-mody izay iray làlana
dia omeo frais izay tsy manana
fa isika izao no mpinamana
Ka ( 'ndeha hifandray tanana)3

Fiv
Na dia efa samy efa valaka
dia manatokatona mitambatra
(Aza adino)2 ilay (fafalamaka e)2
Mila atao sonia ny latabatra...3
          "Siora ry tary e"


Tonony sy feony:
RAFR (Razafintseheno Fred Nomenjanahary)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika TARY
Hits : 57
Likes : 0 Like
Created by : Ranoararaka2025
Date : 23/03/2025 23:13
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
more...
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0946