Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tsy Navelanao (Tarika Talenta)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY NAVELANAOToy ny voron-kely anie Aho,
voageja sy voafatotra
te hitroatra anefa Tsy afa-mandao
'ty gadra izay mamatotra
Te hikiaka mafy ihany koa
Te hiantso mba hisy handre
Te hisidina nefa ho aiza moa?
Tsy afaka mankaiza re !
Ref :
Honena ahy Ianao, Honena ahy tokoa
Ka Tsy Navelanao aho hijaly, fa namaha ny fatorako,
Dia nitondra ahy, ho Any @ ilay Lapa soa
Ho sambatra hiara-paly Aminao
misaotra indrindra Jesosy.
2e Couplé
toa Zaza kamboty ity izaho
ka Tsy Mba manana mpiahy
izay rehetra jerena, toa manindao
Mahavery saina, fo, fanahy
Ny fitafiana rovitra, ny tena mihoso-potaka
Ny fo sy fanahy mihovitrovitra
Torovana sy trotraka
ref:
Honena ahy Ianao, Honena ahy tokoa
Ka tsy Navelanao hitomany
Ity masoko efa mandroaroa
fa nodiovinao, nomenao fitafiana soa
Dia nampandrosoinao ho Any antranonao
Misaotra indrindra Jesosy.
2e Ref:
Honena ahy Ianao, Honena ahy tokoa
Ka Tsy Navelanao aho hijaly, fa namaha ny fatorako,
Dia nitondra ahy, ho Any @ ilay Lapa soa
Ho sambatra hiara-paly Aminao
misaotra indrindra Jesosy.
Nampiditra Andry Aaron
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Tarika TalentaHits : 18
Likes : 0 Like
Created by : Ilay Andry Fiankinana
Date : 22/12/2025 05:16
