Henika sy Ampoka (Tarika Talenta)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
HENIKA SY AMPOKASambatra aho fa efa notiavinao
Ilay nofidiako sy nifidy ahy
HENIKA sy AMPOKA ny fanahy
sambatra aho manana Anao.
Ao Aminao no hitoerako
Fialofako sy fiafenako
Hianao no lova sy harenako
Ao Aminao ry Raiko. 2×
Ref :
Ekeko fa tsy mba manana aho
Ireo Izay mety ho haren'ny tany
Fa tsinontsinona izany,
fa Ampy ahy ny Fahasoavanao
2e couplé :
Ampanalaviro ny masoko
Ireo zava-poana mamiratra ety
Fa ny hangatahiko anio Tompo tia
Ampitomboy ny finoako
Tsy maintsy hihatra, tsy maintsy hianjady
Ireo fahoriana sy ireo fijaliana
Tsy hahoako izany f'izaho hangiana
F'Ianao Tompo ô, no hiady 2×
Ref:
Ekeko fa tsy mba manana aho
Ireo Izay mety ho haren'ny tany
Fa tsinontsinona izany,
fa Ampy ahy ny Fahasoavanao
Interlude...
Ref
Ekeko fa tsy mba manana aho
Ireo Izay mety ho haren'ny tany
Fa tsinontsinona izany,
fa Ampy ahy ny Fahasoavanao
Izay mba voatsirambin'ny tanako
No atolotro ho ANAO eran-tsaina eram-po
F'Ianao irery ry Tompo soa
No harena sy fananako.
Sambatra aho fa efa notiavinao
Ilay nofidiako sy nifidy ahy
HENIKA sy AMPOKA ny fanahy
sambatra aho manana Anao.
Nampiditra : Andry Aaron
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tarika TalentaVangy : 7
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ilay Andry Fiankinana
Daty : 22/12/2025 06:20
