Fanafody (Tarika Sammy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Iee iaa fahiny elabe ny fitsaboana nisy
Vita tamin'ny fomba tsotra dia tsotra
Tapa-kazo kely nokikisana, nangalana vovony
Napetaka amin'ny fery
Tsy nila ny fahaizana avy any an-dafy
Amin'ny fitsaboana nisy tamin'izany
Iee iaa

Ankehitriny kosa ianao raha sendra ka marary
Ny zavatra azo atao dia miditra hopitaly
Hopitaly be izay feno dokotera
Dokotera be miankanjo fotsifotsy
Miakanjo fotsifotsy fa hitsabo anao

Dia tonga ry fanafody
Ah 'ty ny tetramicine, ah 'ty ny flavoquine
Ah 'ty ny nivaquine, izay mihinana tsy maninona

Raha misy maharary ny ankohonanao
Ka lavitra hopitaly ny trano misy anao
Dia miantso telefonina ao amin'ny azansy
Azansy positaly, miantso ambilansy
Miantso ambilansy any lavitra any

Kanefa tsy hadino ireo fanafodintsika
Ah 'ty re ny talapetraka,
Ah 'ty re ny katrafay, 'ty re ny tsingala
Maromaro ihany ireo fanafodintsika
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tarika Sammy
Hits : 1931
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 17/12/2016 11:07
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1445