Ampidiro aloha ny tenimiafina
Jesosy nanetry tena (Tanora Kristianina Feon-Dakolosy (TKFD))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
:,: Endrey ny fitiavanao, endrey ny hasoavanaoNanetry tena Ianao, ho famonjena izao tontolo izao
Niaretanao ny mafy, niaretanao ny mangidy
Hanafahanao ny gadra izay tena mafy hidy
Ny tsy tian’ny mpanenjika naneso nandatsalatsa
Ny satro tsilo sy ny tora-bato namela ratra
Kanefa Ianao, Ianao Jeso, Ianao tsy mba namaly izany
Fa nanolotra ny ainao ho fanavotana ny tany :,:
Tsy misy fitiavana lehibe,
Lehibe mihoatra izao
Dia ny manolotra ny Ainy
Hamonjy ireo sakaizany
Fa Jesosy nanolo-tena, fitiavana no nomena
Atolory Azy re ny fonao,
Mba handray ny famonjena
:,: Fa fiainana mandrakizay o,
Fiainana mandrakizay o
No atolotra ny mino sy manaiky
An’i Jeso Zanaky ny Ray
Fa fianana mandrakizay (Fiainana)
No atolotra ny mino (No atolotra)
Sy manaiky an’i Jesosy ho Tompony :,:
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Tanora Kristianina Feon-Dakolosy (TKFD)Hits : 134
Likes : 0 Like
Created by : NyxRand
Date : 23/06/2025 14:00
