Mangina (Tamboho Gasy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mangina ny foko toa zary tsy mino
Fitiavana lalina sarotra adino

Rahoviana ny tany no lavi-tomany
Izao ve no lahatra sy ilay mba hany?

Jereko ny vorona tony dia tony
Izaho eto ambany tsy afaka intsony

Nankaiza ny andro fahiny ry any
Izao ve no sisa navelan’ny tany?


Refrain: Mangina mangina ny foko e!
Nahoana no dia mitoloko e!
Ndrao ho rava tanora izany amiko zany a!
Ny tiana indrisy efa dila e!
Fitiavana lahy mitanila e!
Ekena mangidy ary koa tena mamy a!


Tonony sy Feony: Ratiana Randria
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Tamboho Gasy
Hits : 1444
Likes : 1 Like
Created by : randrianandrasana
Date : 24/04/2019 15:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.153