Talentako (Talenta)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TalentakoRaha mbola misy ihany, haingam-panahy anatiko
Raha mbola misy feon-kira izay tinendrin’ny tanako
Raha mbola misy tononkalo nilaotra avy ao am-bavako
Fa raha mbola misy angolam-peo eh, izay narafitro
Raha mbola misy kalokalo dia hiderako anao Jesoa
Raha mbola misy hirahira dia tiako hisaorana Anao
Raha mbola misy tsanta vao mipololoitra ao anatiko ao
Fa raha mbola misy antema vaovao dia ny ho Anao Anao
Fa ny ahy ny talentako e! ho anao Jeossy irery ihany
Satria tena fantatro, fa avy taminao izany
Ka na inona na inona eh, hiseho @ fiainako
Dia ny hirako hatrany no solom-bavako
Raha mbola misy hafaliana mitambolona ao am-po
Raha mbola middy fitsikiana misoritra eo imolotro
Raha mbola misy fitahiana mirotsaka @ fiainako
Dia ny hirako ihany no ventsoiko eh sy ataoko am-bavako
Fa ny ahy ny talentako e! (Fa ny ahy ny talentako e!) ho anao Jeossy irery ihany
Satria tena fantatro, fa avy taminao izany
Ka na inona na inona eh, hiseho @ fiainako
Dia ny hirako hatrany no solom-bavako (bis)
(Dia ny hirako hatrany no solom-bavako) (x 3)
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : TalentaHits : 244
Likes : 1 Like
Created by : fetramaharosoa
Date : 06/12/2023 10:07