Zaridaina mahatamana (Stk Fanasim-piderana Fjkm Bemahatazana Fahazavana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mbola noforoninao aho dia efa fantatrao
Tsy mbola teraka aho dia efa nohamasininao
Ka niantso ahy ianao ho fanirakirakao
Hanao ireo asa fanompoana eo an-tanimbolinao
ref:Zaridaina mahatamana no nametrahanao ahy Fanasim-piderana zay no anarana am-panahy
Feno hazo sarobidy tena maintso mavana
Raha izaho no misafidy ho entiko ao reo havana
Tsy mbola resy lahatra aho dia nanao ny asanao
Tsy mbola vonona aho dia efa nosikininao
Satria voatendrinao ary voafidinao
Hanao reo asa fanompoana eo an-tanimbolinao
Hiderako anao ry tompo Ireo fitiavanao
Indro atolotro ny foko ka aza lavinao
Hampitombo ireo talenta izay ananao
Handravaka ilay zaridaina eo an-tanimbolinao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Stk Fanasim-piderana Fjkm Bemahatazana Fahazavana
Hits : 494
Likes : 0 Like
Created by : Falinjatovo
Date : 11/07/2025 08:54
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0798