Mimpodiana (Shayron)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ekeko re fa nisy ny hadisoako
Nahatonga anao tsy tamana
Kanefa tsy fanahy iniako izy ireny
Fa ny fo rano mafana

Fomban'ny mpifankatia hono akia
Ny miadiady
Ka raha sitrakao, miverena chérie
Manao azafady

Ô chérie-ko, mimpodiana fa zaho mbola tia
Ô malalako, miverena fa ngôma ny aty
Toa lasa nangingina, nangingina lay tanànantsika
Ka mila anao ry tiana, ianao ry tiana
Fa tena mangatsiaka

Ka androany aho miangavy mitalaho
Miverena modia
Ny hadalako rehetra rehetra natao
Hosoloiko fitia

Fomban'ny mpifankatia hono akia
Ny miadiady
Ka raha sitrakao, miverena chérie
Manao azafady

Ô chérie-ko, mimpodiana fa zaho mbola tia
Ô malalako, miverena fa ngôma ny aty
Toa lasa nangingina, nangingina lay tanànantsika
Ka mila anao ry tiana, ianao ry tiana
Fa tena mangatsiaka
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Shayron
Hits : 1110
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 30/07/2019 13:17
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1046