Toky fitaka (Shayron)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nataonao zay nahalatsa-paka anahy
Dia nampijalijalianao
Naleoko tsy nahalala anao raha ny fitiavako no lalaovinao
Ekeko fa azonao zay notadiavinao taminahy
Kanefa indray andro any mbola ho anenenanao

Ny androany aloha vitanao
Ny ampitso tsy fantatrao
Mbola ho tsaroanao zany indray andro any
Ireo toky fitaka izay efa mba nomenao ahy
Aza omena any an-kafa indray
Fa sao hanenenanao

Raha toky fitaka naleoko ihany tsy nisy
Raha fantatro hoe fitia ny anao tsy tena izy
Hay teny am-bava fotsiny ihany
Tsy tao am-po fa hanihany
Mbola hitia ianao indray andro any

Tsy mba nanan-tsafidy aho
Fa toa nararaotinao
Ny fahatsorako
Norakofanao ratram-po

Ny androany aloha vitanao
Ny ampitso tsy fantatrao
Mbola ho tsaroanao zany indray andro any
Ireo toky fitaka izay efa mba nomenao ahy
Aza omena any an-kafa indray
Fa sao hanenenanao

Raha toky fitaka naleoko ihany tsy nisy
Raha fantatro hoe fitia ny anao tsy tena izy
Hay teny am-bava fotsiny ihany
Tsy tao am-po fa hanihany
Mbola hitia ianao indray andro any
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Shayron
Vangy : 1633
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 29/07/2019 13:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.159