Namindrana fo (ROHAMA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Mitady anao ilay Ray, mangoraka te hifandray
Efa ela ianao no nania, iriny hizarana fitia
Na betsaka ireo fandavana, hasainy am-pitiavana ianao
handova ilay tany soa, sambatra izay namindrana fo

Fitiavana mandrakizay
No nitiavako anao
Izany no namoaharetako
Famindram-po ho anao

2-Ekeo ny antso, valio, fa aza manetsi-tadiny
Reo fahazaran-dratsy ario, tiany ianao ho sakaizany
Tonga izy hamonjy anao, hanolotra fiainam-baovao
Tsy tiany ianao ho tavela ety, ka ho rebin'ireo bibidia

Fitiavana mandrakizay·························
K'izany no nampaharetako, famindram-po ho anao(3fois)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : ROHAMA
Hits : 1414
Likes : 1 Like
Created by : antsa_fifaliana
Date : 09/09/2017 12:43
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732