Anaka (Rocco)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Anaka avy etsy raisiko ianao
Satria ny reninao tsy ao
Fa mbola lasa nilalao
Ny fahantrana mahalao

Anaka, aza tomany mafy loatra
Ndrao ny foko mitroatra
I dada anie ka efa sasatra
Mitady ravin’ahitra

Fa efa nataoko ihany izay hihinanao androany
Saingy tsisy ny atokona
F’inty ny tànako nonoy
Inty ny ràko sotroy

Anaka, nahoana ianao no mangatsiaka
Nefa ny andro mibaliaka
Sa hifandao sahady isika
Nahoana ianao no mangatsiaka

Anaka, aza dia ilaozana sahady
Ity dadanao fa mbola miady
Ny andro diva haraina
Ianao manary aina

Tsy haiko izay atao mba hamelomana anao
Tsy haiko izay atao
F’inty ny tànako nonoy
Inty ny ràko sotroy

Anaka, veloma hatreo ireo sangisangy
Veloma hatreo ireo tsongotsongo
Vata sisa no anjara
Anjaranao ety

Anaka, nataoko ihany ny hitàna
Ny ranomaso tsy hikoriana
Nefa moa ny fahoriana
Tsy haiko tohaina

Tsaroako ilay ianao nibadadada "dada noana aho"
Dia izaho namaly mora hoe
Inty ny tànako nonoy
Inty ny ràko sotroy
--------
Link:
Comments
hery ( 14/01/2023 10:49)
Mampalahelo koa ity hira ity an
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rocco
Hits : 2117
Likes : 0 Like
Created by : ikalamako
Date : 13/04/2015 20:06
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0109