Oay a Oay a sipako (Ralanto)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oay a oay a sipako ôh!
taiza ianao no tsy hitako
nandritra ny fotoana maro
hatry ny ela a!

Oay a oay a ditrako ôh!
ditrako izaho sy ilay sipako
niaraka nitositosy tany
an-kororosy i!

Ref:
Kilalao ouh!
no natao
rehefa mba manina anao
mampiakatra setro-tsigara
dia oay a oay a! (2x)

Oay a oay a sipako ôh!
Maro no efa naripako ouh!
I ndriako no tô tsy mba hitako
fa taiza foana

Oay a oay a izato izy
misangy lalaon'ankizy
mianatra milangalanga
any anaty apanga any

Refrain 2x

Oay a oay a namako ôh!
Nofihininy mafy ny tanako
nasiany tohaka lela aho
ka dia tavela a!

Oay a oay a sipako ôh!
Taiza ianao no tsy hitako
nandritra ny fotoana maro
hatry ny ela a!

Refrain 3x
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ralanto
Hits : 252
Likes : 0 Like
Created by : Poussah
Date : 24/02/2025 14:09
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.304