Ho iray (feat. Luc) (Poopy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(P)
Tonga izao ilay ora nandrasantsika ela izay
Androntsika roa izay nanambatra ho iray ny aiko sy ny ainao
Ilay bitsiky ny foko nandrotsirotsy ahy taloha
Indro tonga hira nampifoha ny mamintsika roa
(L)
Manomboka izao dia tsy ho irery intsony ianao
Fo sy saina iray no hoentintsika hamakivaky
(PL)
Ity fiainana ity, ity fiainana ity
(L)
Ho foiko manontolo zay mahasoa sy hahasambatra anao
(P)
Mahazo mahatoky ahy ianao f'izay mamy indrindra izao
No efa foiko ho anao

Ny androko rehetra foiko omeko anao
Tsy hasiako fetra mba hanjakanao

Lazao izay sitrakao izay tianao ambarao
Omeko anao satria tiako ianao

(P)
Santaritsika izao ny hoavitsika feno fifaliana
Fiainana iriko hiankina amin'ny Ray tsitoha
Raha mbola misy toetra iray tsy tianao
Vonona aho ny hiova raha mbola izay no ahasambatra anao

(L)
Tsy ho lefitry ny foko raha izaho no hampalahelo anao
Satriko isan'andro tsiky no handravaka
(PL)
Ny endrikao, ny endrikao
(L)
Omeko manontolo zay mahasoa sy hahasambatra anao
(P)
Mahazo mahatoky ahy ianao
(PL)
F'izay mamy indrindra izao
No efa foiko ho anao

Ny androko rehetra
Foiko omeko anao
Tsy hasiako fetra
Mba hanjakanao

Lazao izay sitrakao
Izay tianao ambarao
Omeko anao
Satria tiako ianao
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Poopy
Hits : 648
Likes : 1 Like
Created by : hery
Date : 15/10/2022 10:07
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0789