Neny (Poon)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nitondra Sivy Volana
Nibaby Sy Nitaiza
Nitrotro sy nanafy
Niaritra ny mafy
Niankin-drindrina irery
Nijaly sy nihafy
Nanafina amin-tsiky
Irony ratram-po
Nisotro ny tsy tiana
Nanao izay tratry ny hery
Tsy namela ahy ho irery
Na sarotra na tery


Neny ô, Tsapako ireny
Fa tsy ampy ny teny
Raha hilazako ny hamamin'ny fitiavanao
Neny ô, tsy ho haiko ny hamaly ireny
Fa ny azoko atao, hivavaka ho anao aho.


Nibedibedy foana
Ilay nasika be ronono
Nanitsy ahy raha niteny
Ireo kapoka marary
Ireo tambitamby koa
Nahatsara ahy ireny

Ireo masonao tomany,
Marary ny ao am-po
Raha tojo ny tsy tanty
Ireo henjika sy henatra
Dia nozakainao irery
Fa tianao aho ry neny

Neny ô, Tsapako ireny
Fa tsy ampy ny teny
Raha hilazako ny hamamin'ny fitiavanao
Neny ô, tsy ho haiko ny hamaly ireny
Fa ny azoko atao, hivavaka ho anao aho.

Hivavaka ho anao aho
Hihantako amin'ny ray
Ny hitahiany anao
Ka ilay tanany mahery
Hitantana sy hiaro
Ny fiainanao ry neny

Neny ô, Tsapako ireny
Fa tsy ampy ny teny
Raha hilazako ny hamamin'ny fitiavanao
Neny ô, tsy ho haiko ny hamaly ireny
Fa ny azoko atao, hivavaka ho anao aho.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Poon
Hits : 730
Likes : 1 Like
Created by : hery
Date : 15/01/2022 12:13
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0106