Foza avandra mpitsetsitra (POLY GERVOOCS)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Azafady, azafady
Raha hilaza aho , sady hiangavy
Ny hitan'ny masoka no teneniko
Habaribariko, tsy misy afeniko
Diso mantsy aho raha nitelina izany
Ka nikobon'irery izany hatrany


Ref
Fa misy mitsetsitra e,
Dia mody manjetoka e,
Foza avandra mihintsy ireny
Tasra omena ny daka be,
Mambotsy firenena
Ka tokony ho resena,
Hofongorana tena hosena
Fa tena mahasorena.

Ahitana azy ireny foana,
Ny ambaratongam-piainana rehetra manoloana
Na ny ambany ambany na ny ambony ambony
Dia nataony nahita nototototony

Tambatambazany amin'ny vary 1 kilao
kabarianay amin'ny lazao sy tsaho
Dia angoroniny avokoa ny volamena
Ka mijaly mijaly ny vahoaka, mahonena.


Ref
Fa misy mitsetsitra e,
Dia mody manjetoka e,
Foza avandra mihintsy ireny
Tasra omena ny daka be,
Mambotsy firenena
Ka tokony ho resena,
Hofongorana tena hosena
Fa tena mahasorena.

Miroborobo ny harikareny,
Satria maty paika ny afetsifetseny
'Sika amidiny ariary ariary roa
Mba hitsetsafany ny volamena vatosoa

Tohatra fiakarany fotsiny isika
Ary heveriny ho toy ny alika
Mbola malagasy ihany ve izy ireny
Ka mbola Gasikara no fireneny.

Ref
Fa misy mitsetsitra e,
Dia mody manjetoka e,
Foza avandra mihintsy ireny
Tasra omena ny daka be,
Mambotsy firenena
Ka tokony ho resena,
Hofongorana tena hosena
Fa tena mahasorena.


Andao ary isika hiray hina
Ka hiara-hientana ka hanakiana
Ireo 'zay mbola mitsetsitra foana
mihevitra ny madinika ho Paonma

Mivonona ry Gasy, Andao hiady mafy
Hamongotra hatramin'ny farany ireo mpigafy
Ka hiadam-pinaritra amin'izay 'ty firenena
Ka ho ravo amin'izay isika mahonena.

Ref
Fa misy mitsetsitra e,
Dia mody manjetoka e,
Foza avandra mihintsy ireny
Tasra omena ny daka be,
Mambotsy firenena
Ka tokony ho resena,
Hofongorana tena hosena
Fa tena mahasorena.

"Azafady, azafady;
'Zaho akory tsy hoe mila ady
Fa mapitandrina an'lah io fotsiny
Mbola besaina miseho ho be mokony,
Miseho tsy tratry ny aloka mihintsy
Ka manararaotra miseho tsy mitsitsy
Nefa androany, 'zao dia 'zao,
Tsy hanaiky intsony izahay ka alefao
Na Krimozenina izany na koa Tafondro
Ny aty efa vonona amin'ny daka sy totohondry
Ela mantsy 'zay nandeferanay izay,
Ka voaroban'ialahy hatrany ny Bois de Rose-nay
Nahantsa hatrany 'ty tanindrazanay
Ka aoka izay fa hanohitra izahay"

Ref
Fa misy mitsetsitra e,
Dia mody manjetoka e,
Foza avandra mihintsy ireny
Tasra omena ny daka be,
Mambotsy firenena
Ka tokony ho resena,
Hofongorana tena hosena
Fa tena mahasorena.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : POLY GERVOOCS
Hits : 1546
Likes : 1 Like
Created by : Gervoocs
Date : 11/05/2015 08:43
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0726