You are here: home > Tononkira > POLY GERVOOCS

Ho avy ve Jesosy? (POLY GERVOOCS)

https://tononkira.serasera.org/hira/poly-gervoocs/ho-avy-ve-jesosy-1

Manakoako tena kanto,
Milantolanto miantsoantso o!
Maniry mafy mba ho enoina:
'Ty hafatra mandona.
   Toriteny efa fandre,
   Diskety miodina be!
   'Nefa indrisy tsy asiana sira,
   K'aleo mintsy ataoko hirahira.

REF:
     Tena ho avy anie Jesosy,
Ka mba ahoana ny aminao?
     Ho avy hitsara hanadihady,
     hanontany 'zay natao!
  Efa ritra taminao ny rahany,
  Efa potika taminao ny lohany,
  Efa goaka taminao ny tanany!
     ...Sa hoe tsisy idiranao???

Dia mbola htononkira.serasera.orgo faty fahavelona foana ve 'sika ranabavy an?
Dia mbola hanopo devoly mandram-pirava eto ve 'sika ralah?
Dia ho velona hanatotosa faminaniana eto fotsiny ve zany 'sika zoky be an?
Sa ve hoe aleo ihany aloa @ zao?
...Tsy mbola tara e! Andao hiaraka, handeha handositra nenina!  
Koa raha hisafidy an'i Kristy
...Avia kely aloha aty;
Atoro anao ilay paika
Sy 'lay hosotra mandaitra:
Fa vavaka tsy totoafo,
Sy fanantenaina horim-bato;
Fa mpivahiny isika no ety,
Ka tsy ho ela handao ty tany 'ty!

  REF:

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : POLY GERVOOCS
Mpamaky : 994
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : Gervoocs
Tamin'ny : 16/05/2016 08:39:23
ID : 8528

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo