Na oviana na oviana (Ossy (Oscar Randria))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na oviana na oviana no tsy ahitako anao
Dia manjary fahoriana izao rehetra izao
Ny fitiavako fahiny, raha tsaroako ankehitriny
Fa manetsika fanahy, mampangorangoraka ahy

Aiza kosa ianao amin’izao ora izao
Fotoana sarobidy manetsika tadidy
Izao no vetsom-po mba natokako ho anao
Tsy mivadika ny foko efa lasanao

Aiza ho aiza ilay Malala nametrahako fitia
Tsy mba mety ho very dia, ny foko miavon-tsahala
Raha mba azoko natao ny hanatonako anao
Dia nataoko tsotra izao, tiako ny eo ankaikinao

Aiza kosa ianao amin’izao ora izao
Fotoana sarobidy manetsika tadidy
Izao no vetsom-po mba natokako ho anao
Tsy mivadika ny foko efa lasanao

A/C : Naly Rakotofiringa
Kapila: La Voix De Son Maître – K-9060
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ossy (Oscar Randria)
Hits : 26
Likes : 0 Like
Created by : Kotsur
Date : 23/05/2026 14:28
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0293