Meteza ry maraina (Ossy (Oscar Randria))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Meteza ry maraina, meteza hifaliakoNaka sorisory hanala sentosento
Fa ny alina mangina, ny alina nandriako
Nitondra nofinofy, tsy nampahita tory
Toa nofy hafahafa injao nisavika ahy
Nivimbina tanaty ny bitsika fitserana
Toa siram-betsovetso nanaitra ny fitia
Hay tsy inona tsy akory fa embona niserana
Tsy inona tsy akory fa embona niserana
(x2)
Meteza ry valiha, valiha tory folo
Meteza ka avia hanaitra ny tontolo
Fa iny alina iny, nitondra sentosento
Avia ry maraina toneo izany foko
A/C : Fredy Raoilifahanana.
--------
Link:
Comments
Kotsur
(
21/05/2026 17:34)
Miala tsiny fa na ny mpihira aza indraidray manadino ny tonony.
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Ossy (Oscar Randria)Hits : 13
Likes : 0 Like
Created by : Kotsur
Date : 21/05/2026 17:33
