Iny setroka iny (Onfroy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nofidiny mintsy iny mba hiara dalana aminy
Rehefa izy malahelo
Na matsiaro reraka
Otran'zany lesy ny aty no tena
namana
Tsy misy fa ny mpiatsaravelatsy no betsaka
Dia lasa akama tsy fohiny iny
Satria tsy misaraka aminy rehefa iny izy
manirery

...azafady lesy fanalana sorisory iny fa tsy ditra velively
Manimba ny anatiny fa tsy ariny raha tsy Lany
Dia aleony miaraka amin'iny toa izay sakaizany tomany
Aza omena tsiny izy fa vao manomboka miaraka mamindra
Satria matoa izy mamafy de efa vonona
hijinja

Iny setroka iny lesy mandoto ny manodidina azy  saingy mampitombo ny heriny de tsy hajanony mints ono iny ra tsy sitrana ny feriny

Iny hono sisa mantsy mba tokana fandanin'ny androny setroka fotsiny iny fa tsy nahasoa azy sangy namafa ny ranomasony

Dia lasa akama tsy fohiny iny rehefa izy mahatsiaro irery
Azafady lesy a... Fanalana sorisory fotsiny iny fa tsy ditra velively

[Nampiditra]:
RAKOTONARIVO Sitrakiniaina Tantely
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Onfroy
Hits : 191
Likes : 1 Like
Created by : Masoka
Date : 12/10/2025 12:38
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.022