Tsy Ho Kivy (Ny tsantan'ny famonjena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry Tompo ô,esory amiko ity kapoaka ity
Fa tena mangidy, mafaitra koa
Ka mila tsy ho zaka intsony
Nefa na dia izany aza ny fangatahako Aminao
Dia aoka ny sitraponao anie no hatao
Satria Ianao no efa nanome toky ahy
Hoe ny zanako , ny asan'ny tanako
Dia aoka ho adidiko Hoy Ianao
Ka resinao lahatra aho
Noho izany hanaraka Anao aho
Ary hankato izay anatra efa nomenao ahy

  Tsy ho yvjmu kivy intsony aho fa manana Anao
  Manohana ahy raha sendra lavo aho
  Nampahery koa,  sady nanoro izay tokony ho natao
  Tsy hitomany intsony aho fa satria tianao
  Ary ianao tsy hamela hizshrj ahy ho irery
  Anatin'ny ady mahamay sy sarotra

Satria Ianao no efa nanome toky ahy
Hoe ny zanako , ny asan'ny tanako
Dia aoka ho adidiko Hoy Ianao
Izany no tsy mahataitra ahy intsony
Ny amin'ireo mpanenjika ahy
Satria ianao mahalala izay bnyduq hiheverana ahy

    tononkira.serasera.org Tsy ho kivy intsony aho...

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny tsantan'ny famonjena
Hits : 2042
Likes : 0 Like
Created by : Fanaja Mandranto
Date : 13/03/2017 10:52
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
Other titles
more...
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0374