SOLIKA AFON'NY FITIA (NY ANTSA MIDERA (NAM))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Tena sarobidy loatra
Ny hasinao ry Gasikara
Fa meva kanto tafahoatra
Ka dia manintona sy tsara
Resy lahatra aho izao
Ianao dia tokana aman-tany
Ka ny fiandriananao
Ho soa toaviko hatrany
Andriamanitra Ray, aza ela Ianao
Vangio ny taninay, midina ka anjakao
Aza avela hitranga, ny fitiavan-tena
Zay manao am-pihimamba,
Ka mambotry firenena

2. Ts'isy tany azo asolo
Ny harenanao voajanahary
Indrisy anefa fa bontolo
No nentinao ka naharary
Dia onena anao ny saiko
Ry tanindrazana lalaina
Ataoko sorona ny aiko
Raha tia izany ka ilaina
Andriamanitra Ray,...

3. Tsy ho foana sanatria
Miredareda tsy hay tohaina
Ilay solika afon'ny fitia
Ilay masoandro antenaina
Tompo izay nahary anao
No hampitraka sy hahatafita
Ry Gasikara tiako Ianao
Ny fitiavako tsy ritra
Andriamanitra Ray,...

(A/C : Rahaingomahefa Pascal)
(Mpihira : NY ANTSA MIDERA)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : NY ANTSA MIDERA (NAM)
Hits : 853
Likes : 0 Like
Created by : nyantsamidera
Date : 15/01/2020 06:17
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0786