Tomany anao (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O ! Tiako ..tiako ianao ry olon’iny
Tsy foiko
Lavitra any..
Ankona ny fo mahatsiahy ny taloha
Lavitra ny tiana tiako taloha
Ndry lay fitia, tena nitia
Tsy nahafoy…
Herintaona izay ny antsika roa
Zaho lay nigafy, nampirafy
Niova olon-tiana
Ny lanitro efa manga
Ireo sipa manja
Babony aho..
Ref: Lavitry ny maso indry
Lavitra tsy anilako
Manina ny foko mahatsiaro an-dry
Lavitry ny maso indry
Tsy eo intsony anilako
Zay vao tsapako an-tratrako ao…
Zay vao tsapako ao anatin’ny fo
Mampitomany..
Ny vehivavy tsotra tia sy manaja
Tsy fanary
Izao vao tsapako manonja ao am-po
Tsy mba voavono
Ny vehivavy tsotra tia niara-nihafy
Tsy mba fanolo…
Lavitra any ndry, lavitra aky
Zay vao tsaroako manonja
Manina aho ity, manina an-dry
Latsa-tomany…
(A/C : OM-GUI, NY AINGA…Nov 2015)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Ainga
Hits : 8151
Likes : 1 Like
Created by : cmbolatiana
Date : 21/03/2016 11:09
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719