MITSANGANA MANDEHANA (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitsangana mandehana

tsy mamela anao hipetraka ny evanjely
tsy mamela anao hipetrapetraka ny evanjely

fa nisasaka ny alina
ny voaary efa sina
efa renoky ny tory
ny ao an-tokantranonao
fa injao manaitra tampoka
mandondona am-baravarana
izay mitady mila vonjy
ny sakaiza akaikinao
ka hitsangana ianao
hiarina ve sa hipetraka
ny marenina aza re nositraniny
fa ny tenin'Atra tsy natao hohenoina fotsiny
fa ny tenin'Atra natao ho hita maso

nisy lehilahy iray
nanana ondry zato
fa nania ny ankiray
tavela any an-tsaha
zovy ianao lay mpiandry
zay handao ny maro an'isa
ka hitety havoana
mba hitady ilay nania
ka hitsangana ianao
hiainga ve sa hipetraka
ny jamba aza re nampahiratiny
fa ny tenin'Atra...

ary isika izay mino
natsangany ho fanasina
ndre re ory mitomany
tsy mba misy mpitia
misy rariny hampanginina azy
hahitana tombontsoa
fa tsy misy te hiteny
fa jerena amin'izao
ka hitsangana isika
hidradradradra sa hikombona
ny moana aza re nositraniny
fa ny tenin'Atra.....
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Ainga
Hits : 4273
Likes : 1 Like
Created by : tsifamamy
Date : 09/10/2016 09:12
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0748