Ho anao lavitra any (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Androany aho hanoratra ho anao lavitra any
Fa manembona ireo dina nifanaovantsika roa
Aman-taona mantsy izay no nampiombona ny fo
Hmmm...mitamberina indray
Fa isika tsy mba kivy n'inona n'inona nanjo
Na nandalo sedra, tsy nampitanondrika ny loha
Resin'ny fitiavantsika ny olam-piainana nandalo
Ka anio, tsy haiko atao ny tsy hihiaka azy

Ref: Ô! Malala indro averiko ho renesinao indray
Ilay fitia tena mamy, efa nomeko hatrizay
Ao am-poko lalandava ireo dina nifanaovantsika roa iny
Nivoady ny ho doria

Androany aho hanoratra ho anao lavitra any
Fa mahatsiaro sy manembona ireo oroka omaly
Fa hatramin'izao dia mbola voatahiry ho doria
Ilay teny hoe:"tiako be akia indri chérie"
Fa na maro aza ireo fakam-panahy nandalo dia
Noresen'ilay fitia lalim-paka avy ao am-po
Sanatria akia malala izay hamadika fitia
Anao aho, hatramin'izay ka ho doria

Ref: Ô malala indro averiko ho renesinao indray...(2)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ny Ainga
Hits : 130
Likes : 0 Like
Created by : Ramihaja08
Date : 29/10/2025 20:35
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0967