Mahagaga (feat Joseph D'Af) (Njakatiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
N:
Mahagaga ihany 'reo minia tsy mahafantatra
Fa ianao ihany no atao hoe tena lafatra
Tsy ho takatry ny saina velively, raha ny fahaizanao
Mahatalanjona sy mampihaiky raha ny herinao.

J:
Ianao tokoa no mpandrafitra izay rehetra ety
Tena mahavariana loatra satria voarindra tsara ery
Na dia misy koa ny mafy sy ny mangidy
ampinao fahasoavana
'Zany no antsoko anao hoe fitiavana.

Ref:
N.J:
Saotra tsisy fetra amin'izany rehetra izany
Fa lehibe tokoa ny fitiavanao
Ka dera sy laza; hery, haja anao hatrany
Hiraina foana raha ny voninahitrao.
.......................
Ianao tokoa no mpandrafitra izay rehetra ety
Tena mahavariana loatra satria voarindra tsara ery
Na dia misy koa ny mafy sy ny mangidy
ampinao fahasoavana
'Zany no antsoko anao hoe fitiavana.

Saotra tsisy fetra amin'izany rehetra izany
Fa lehibe tokoa ny fitiavanao
Ka dera sy laza; hery, haja anao hatrany
Hiraina foana raha ny voninahitrao.(x2)

Tsy miova omaly sy anio ary ho mandrak'izay
Hiraina foana ianao Jehova ôh!
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Njakatiana
Hits : 2271
Likes : 1 Like
Created by : christophe17
Date : 30/11/2018 19:36
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071