Azonao antoka ve? (N'Iray feat Ny Avo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Moa ve azonao antoka fa voavonjy ianao?
Satria mandalo ihany izao fiainana izao
Tsarovy fa tsy maintsy handalo,
Fahafatesana ny olona tsirairay. (x2)

Namako ô!
Izao fiainana izao anie ka fandalovana ihany
Fa ilay mandrakizay,
Dia ilay eo an-tratran'ilay Ray
Koa dieny mbola misy fotoana andrenesanao izao antso izao
Koa mibeba izao ianao,
Fa miantso anao Jesosy izao. (x2)
....
Anio raha tsy ho tapa-kevitra ianao
Dia mandraisa Azy ho Tompo sy ho mpamonjy
Ho tsapanao fa tsy ho irery ianao
Fa Izy no miahy ny fiainanao. (x2)

Namako ô!
Izao fiainana izao anie ka fandalovana ihany
Fa ilay mandrakizay,
Dia ilay eo an-tratran'ilay Ray
Koa dieny mbola misy fotoana andrenesanao izao antso izao
Koa mibeba izao ianao,
Fa miantso anao Jesosy izao. (x2)

Koa mibeba izao ianao,
Fa miantso anao Jesosy izao.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : N'Iray feat Ny Avo
Hits : 677
Likes : 0 Like
Created by : christophe17
Date : 05/11/2021 19:46
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.072