BG an'i Jesosy (ft Pit Léo) (Mr Sayda (Misié Sayda))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Sayda)
Ndao reto hivavaka fa rahampitso alahady
Fa tena hiala-toaka za no tena hiala-ady
Aza avela hivoaka tao raha tsy mahita Azy
Fa ny vatako salama fa ny fanahy manavy
Za raha tonga hivavaka dia izaho sy Jesosy ihany
Tsisy hiraraiko ny ambony fa za tsy dia sosialy
Tsy ilaiko fiaraha-monina ny fiainam-pivavahana
Fa matoa za io vonona dia efa naka bahana

(Pit Leo)
Fa mila manao BG lah
Fa hifanatri-tava @ Jesosy e (x2)

(Sayda)
Nefa ve Jesosy hijery ny akanjonao
Sa ny vavaky ny olona malahelo
Nefa ve Jesosy hijery zay pozinao
Sa ny vavaky ny olona mitaraina

Jesosy a an tantarao anazy ny famonjena (x2)

(Pit Leo)
Fa hivavaka no aleha any am-piangonana
Hande hibebaka fa tsy hamonjy lalonana
Fotoana very hoan'ireo olona be fiomana
Nefa ny fòny mbola rakotra fielonana

(Sayda)
Ty ny akama tadidio, lazaiko anao mantsy
Ny akanjo madio tsy mahafafa toetra ratsy
Mijinja tadio enao fa namafy rivotra e
Fa tian'i Jesosy zay na miakanjo rovitra e

(Pit Leo)
Tsy mila manao BG kay
Voa antsoina zandrin'i Jesosy e (x2)

(Sayda)
Nefa ve Jesosy hijery ny akanjonao
Sa ny vavaky ny olona malahelo
Nefa ve Jesosy hijery zay pozinao
Sa ny vavaky ny olona mitaraina

Jesosy a an tantarao anazy ny famonjena (x2)

(Pit Leo)
Niomehezan'zareo za nande niangona alahady
Nanao kiraro rovitra lazainy fa mafy ady
Tsy nahavidy palitao za fa lobaka efa mavo ô
Nataoko tsara sasa mba hiaonako amin'ny Avo
Tsy menatra ny handohaliko satria za tonga hivavaka
Ny Andriamanitro efa aiko tsy manavaka
Ny halahelo tato am-poko no entiko eo anilanao
Tsy ny akanjo eo an-koditro fa za no mila Anao

(Sayda)
Hitanao fa tsika rehetra samy mba BG kay
BG sady zandrin'i Jesosy o (x2)


(Pit Leo)
Nefa ve Jesosy hijery ny akanjonao
Sa ny vavaky ny olona malahelo
Nefa ve Jesosy hijery zay pozinao
Sa ny vavaky ny olona mitaraina

Jesosy a an tantarao anazy ny famonjena (x2)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mr Sayda (Misié Sayda)
Hits : 10424
Likes : 1 Like
Created by : Wonokuni
Date : 26/07/2017 08:06
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1091