Antsoy Aho (MED'S CHOIR)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na ao anatin’ny hafaliana,
Na ao anatin’ny fahoriana
Andriamanitra tsy mandao
N’aiza n’aiza na rahoviana
Ny andinin’ny fiainanao
Tsy misy miafina Aminy
Izy anie raha tsy fantatrao
Ilay mpandahatra antsika ety

Ka manomboka izao
Mitsangana ka esory e!
Ny tahotra am-ponao
Atolory Azy etoana e!
Ny androm-piainananao
Ka sahia miantso Azy e!
F’Izy miantso foana izay
Fa ianao no tsy mandray

Ref : Hoy ny Tompo anie hoe
(hoy ny Tompo anie eh eeeehhh)
Antsoy Aho dia hamaly anao e!
(Antsoy aho dia hamaly anao e! )
Hoy ny tompo anie hoe
(hoy ny Tompo anie eh eeeehhh)
Antsoy Aho dia hamaly anao e!
(Antsoy Aho dia hamaly anao e..eeee. )


Na ao anatin’ny hafaliana,
Na ao anatin’ny fahoriana
Andriamanitra tsy mandao
N’aiza n’aiza na rahoviana
Ny andinin’ny fiainanao
Tsisy miafina Aminy
Izy anie raha tsy fantatrao
Ilay mpandahatra antsika ety

Ka manomboka izao
Mitsangana ka esory e!
Ny tahotra ao am-ponao
Atolory Azy etoana e!
Ny androm-piainananao
Ka sahia miantso Azy e!
F’Izy miantso foana izay
Fa ianao no tsy mandray

Refx1

Eie e.. (Eia..)
Eie ee (Eia..) ×4

Antsoy Aho dia ho valiako ianao
Ka ampisehoako
Zavatra lehibe
Sy saro-patarina tsy fantatrao...

Antsoy Aho antsoy Aho
Dia ho valiakoianao e! (x4)
Ref×2
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : MED'S CHOIR
Hits : 1221
Likes : 0 Like
Created by : eliopatrick
Date : 07/08/2018 17:53
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1337