Izaho tsy maintsy mihira foana (CLUB-ACADEMY GROUP)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hamirifiry ny ririnina
Higaina ny lohataona
Tsy izany akory no hampaninona
Izaho tsy maintsy mihira foana
Maizim-pito ny alim-pahavaratra
Ny amboa aza injao minaonaona
Tsy ireny no entiko hampitahotra
Izaho tsy maintsy mihira foana

Tsy tontosa angamba izay nokendreko
Atao ahoana fa efa fomban’ny tany
Mbola hisandratra anefa ny feoko
Ny kalokaloko mbola hitohy eny ihany
Eny lasa angamba ilay olon-tiana
Atao ahoana ny fitia lakalaka
Fa ny hirako tsy lany hamamiana
Ny kalokaloko vao maika hahazo laka

Hanenjika ireo izay tsy tia
Mitombo ny hevitra mivaona
Feno olana ity fiainana ity
Izaho tsy maintsy mihira foana
Mifofo ny aiko ny fahanterana
Ny fasana indray hampisaona
Tsy ireny no entiko hitserana
Izaho tsy maintsy mihira foana
--------
Link:
Comments
randrianaivo ( 22/08/2016 12:40)
CLUB-ACADEMY GROUP, natsangana ny taona 2008 t@ faha-10 taona ny vondrom-panabeazana CLUB-ACADEMY. Ahitana sampana roa (02) ny CLUB-ACADEMY GROUP arak'izao teny faneva manaraka izao :"CLUB-ACADEMY GROUP mihira ny fanabeazana, manandratra ny hira fiderana". Efa namoaka raki-kira anankiroa ny CLUB-ACADEMY GROUP, ary eo am-panombohana ny raki-kira fahatelo. Io "Izaho tsy maintsy mihira foana" io indrindra no lohatenin'ny raki-kira voalohany
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : CLUB-ACADEMY GROUP
Hits : 1548
Likes : 0 Like
Created by : randrianaivo
Date : 22/08/2016 16:50
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1023