Tena Tiako Ianao (Mamina sy Ravaka)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Manaiky aho malala manomboka androany,
Tena tia anao fa tsy mihaniany,
Tsy hampanantena kintana na volana ho anao
Fa ny foko no omeko izao dia izao.

Na sarotra aza ny ady mbola ho aleha,
Ataoko tsara fatotra ny kofehy,
Ka sanatria raha hoe hivaha
N'inon'inona lalovana,
Tena tia anao aho f'aza manahy.

Raiso ny tanako fa ianao no anjarako
Na mangidy na mamy dia hiroso hatrany malala o!

Na iza hanakana na koa hanakona ny maso,
Tsy misy hatakaloko anao,
Na anaty oram-baratra na fingana, ankaso
Ho eo foana aho hiaro anao,
Hiaina fahasambarana tsy takatry ny saina,
Hamirapiratra vao maraina,
Malala o! tena tiako ianao.

Faniriako efa hatry ny ela anie ny ho tantananao
Ity foko tsy mahay manafina fa 'zaho koa tia anao.

Raiso ny tanako fa ianao no anjarako
Na mangidy na mamy dia hiroso hatrany malala o!

Na iza hanakana na koa hanakona ny maso,
Tsy misy hatakaloko anao,
Na anaty oram-baratra na fingana, ankaso
Ho eo foana aho hiaro anao,
Hiaina fahasambarana tsy takatry ny saina,
Hamirapiratra vao maraina,
Malala o! tena tiako ianao.

Oh! oh! oh! oh!

--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Mamina sy Ravaka
Hits : 1968
Likes : 0 Like
Created by : litarazavar
Date : 22/11/2023 14:24
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3948