Benoro (Lolo sy ny tariny)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-)
Mampalahelo anie ny sambatra e, amin’ity taona ity.(bis)
Mitomany irery ny angorodao, aiz’i Benoro, aiz’i Benoro o!
Mitomany irery ny angorodao, aiz’i Benoro mba handihy
Mampalahelo anie ny sambatra e, amin’ity taona ity.

Ndesin’ny sambo any izy lasa anie, roa volana izay.(bis)
Lasa nanjono any an-tsisin’i Afirika, any Zimbabwe, Zimbabwe o!
Efa nanaiky an'ny an-tsisin’i Afrika, efa tonga tany Zimbabwe
Ndesin’ny sambo any izy lasa anie, roa volana izay

Ny fampielezam-peo dia efa nanambara fa misy sikilaonina
Nanorana ny andro tamin’izay
Fa i Benoro nitondra ny lakany dia mbola lasa foana
Nandihy e, nandihy e, nentin’ny onja nisavoana.


2-)

Hangirifiry anie mitapaka e, amin’ity taona ity.(bis)
Mila tambitamby ny zaza foraina, aiza i Benoro,aiza i Benoro o!
Mila tambitamby ny zaza foraina aiza i Benoro mba handihy.
Sarotim-pery anie ny tapaka e, amin’ity taona ity.

Tsy mila dokotera ny didipotra fa vitan’i Benoro
Ny manamaivana marary
Feon’angorodao miampy kirintsana sy tsinjak’i Benoro
Hadino o, hadino o, ny any ambany foitra.


3-)

Mangasiasy anie ny zanaka e, sy ny vadiny aty.(bis)
Sasa-mitazana fara-vodilanitra, aiza i Benoro, aiza i Benoro o
Sasa-mitazana fara-vodilanitra, aiza i Benoro mba hadihy.
Mangasiasy anie ny zanaka e, sy ny vadiny aty

Fa ny onja, ny onjan-dranomasina midoboka masiaka e
Toa manambara ratsy
Fa i Benoro angamba rankizy tsy hiverina amintsika
Fa very, fa very! Any antsisin’i Afrika

Mampalahelo anie ny sambatra e amin’ity taona ity. (bis)
Mitomany irery ny angorodao, aiz’i Benoro, aiz’i Benoro o!
Mitomany irery ny angorodao, aiz’i Benoro mba handihy
Mampalahelo anie ny sambatra e, amin’ity taona ity.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lolo sy ny tariny
Hits : 9533
Likes : 0 Like
Created by :
Date : 07/11/2001 06:11
Audio
Excerpt Add to playlist
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117