Ho avy (Lay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha sendra tsy eto aho
Fa mba lasa any ho any
Hikaroka ny tsy misy
Hamakivaky vazan'tany
Dia izao no tadidio
Mbola hiverina eto ihany aho
Hanasoa ny akany,
hanatsara azy hatrany

Fa ho avy aho, ho avy e
Tsy hitondra tanampolo
Fa hitondra ireo remby
sy ny haza maro be
ho avy aho, ho avy e
tsy hitsena fahoriana fa horokoroka sy tsiky
ho arahim-pifaliana

Raha sendra manjombona
ka manorana any ho any
harahin-drivotra mitsioka
mampanembon-takariva
aoka re hanantena
Fifaliana mbola ho avy
fa mbola hifankahita anie
Isika mianakavy

Fa ho avy aho, ho avy aho,ho avy e
hiverina aty indray,
hamerina ny tsiky sy hafaliana hatrizay
ho avy aho, ho avy e
tsy hitsena fahoriana, fa orokoroka sy tsiky
ho arahim-pifaliana

Raha sendra tsy laitra ny alahelo hava-tiana
mampanjeny ny fo, maha ory fanahy
de ritsio ny valiha,
araho sioka hivahiva
hamerina ireo vazo
izay niaraha nihira

Fa ho avy aho,ho avy aho, ho avy e
hiverina aty indray,
hamerina ny tsiky sy hafaliana hatrizay
ho avy aho, ho avy e
tsenao eny antokontany,
tsy hivimbina mahia fa hitondra matavy
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Lay
Hits : 27
Likes : 0 Like
Created by : FinariA
Date : 23/01/2026 19:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0719