Izy ilay tokana (K'ANIB)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain :
Izy ilay tokana, tao anatin'ny maro no nofidiako
Tsy hisy hanome tsiny ahy raha toa ka izy ilay mbola tiako
Ny fitempon'ny foko no henoina, tsy ny vavan'ny sasany
Ny sombintsombin'ny fitiavako rehetra omeko anazy dia lasany

Mangetaheta izaho mijery azy mitsikitsiky manavinavy
Mandravaka azy manokana, ilay fitiavako azy tsy mba vazivazy
Izahay midasidasy, mitositosy, ilay atin'akanjony fotsifotsy
Ilay maso maso misafosafo, nefa toa ohatran'ny tsy misy pasy
Izaho gasy, ianao gasy, ndao isika mba hifamadika atsy
Sanatria tsy i Francis ka hanao fitiavana amin'ilay taratasy
Bandy koresy mpampiasa hozy dia bikina tamin'ilay jôba hozy
Tsy milay ry Malala fa aleo "direct" ihany ny antsika ny papozy

Ilay molotra azy manoroka, no tena mibahana ato an-tsaiko
Ilay lelany ohatran'ny vatomamy tena tiako sady ho lalaiko
Ny fitiavana izay natolony dia ho raisiko mba tsy hipitika
Ny tenako mantsy manaja anazy tsy mba gisitra, tsy mba risika aho

Refrain :
Izy ilay tokana, tao anatin'ny maro no nofidiako
Tsy hisy hanome tsiny ahy raha toa ka izy ilay mbola tiako
Ny fitempon'ny foko no henoina, tsy ny vavan'ny sasany
Ny sombintsombin'ny fitiavako rehetra omeko anazy dia lasany (x 2)

Ny vadiko, vadiko ihany, fa ny sipasipako
Bedin'ny bôfy anefa raha vao manao sipa anankiroa
Ilay anankiray taloha izany, iny tsy azoko hanaovana kilalao
Fa ilay anankiray vaovao : aisss, poince tonga dia han ! han !

Izy ilay tiako ry Mama, izy ilay tiako ry Dada
Izy ilay tsara tarehy, ilay tsara fanahy
Ka iny ilay olona tiako ô
Izy ilay tena tiako e !

Ka eto ny paradisa, ny zanak'isika dia 7 ny isany
Babo ny tsy afa-miala amin'ny tenako, lasa saro-piaro ilay "bahoejy"
Lasa midongy firavaka, volafotsy misarigejy
Miaraka ambony dia miaraka ambany, samy tsisy manaiky ho lany
Miaraka tonga dia miaraka faly, dia izay izany, any izany !

Refrain :
Izy ilay tokana, tao anatin'ny maro no nofidiako
Tsy hisy hanome tsiny ahy raha toa ka izy ilay mbola tiako
Ny fitempon'ny foko no henoina, tsy ny vavan'ny sasany
Ny sombintsombin'ny fitiavako rehetra omeko anazy dia lasany (x 2)

Izy ilay tokana... (iny izany ilay tokana)
Izy ilay tokana... (iny izany ilay tsy azo anaovana vazivazy)
Izy ilay tokana... (tano ny azo fa sarotra ny mila rahalahy)
Izy ilay tokana...

Refrain :
Izy ilay tokana, tao anatin'ny maro no nofidiako
Tsy hisy hanome tsiny ahy raha toa ka izy ilay mbola tiako
Ny fitempon'ny foko no henoina, tsy ny vavan'ny sasany
Ny sombintsombin'ny fitiavako rehetra omeko anazy dia lasany (x 2)

Izy ilay tokana...

K'ANIB (2001)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : K'ANIB
Hits : 109
Likes : 1 Like
Created by : hagamamytahiana2023
Date : 17/03/2026 12:48
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0389