Fomba gasy (didim-poitra) (K'ANIB)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tsaroako izaho mbola zaza tsy nahatsiaro sainaNovalivalian'ny olona, sady nolanjalanjaina
Tsy hifankalalana izay rehetra nanotrona tao
Fandihana olona maro no nivimbina kilalao
Tampoka teo, tereko no miely ny feo
Fa zavatra saro-pady hono no kitihan'izy ireo
Fa "coupé zozo", tsy hitako intsony izay hatao
Mihodinkodina, be konetaka tao ambadika tao
Fomba gasy amin'ilay tsotsotra mankany, mankany dia miara-mizotra a
Fomba gasy amin'ilay tsotsotra alefaso ny fety fa aza hadinoina
Fomba gasy amin'ilay tsaratsara, tsikitsiky eo Gasikara a
Fomba gasy amin'ilay tsaratsara, mandihindihy eo sipa tsy tara a
Refrain :
Hafa rehefa ny gasy ny fomba a (x 2)
Hafa rehefa ny gasy mifety e (x 2)
2- Finaritra sy mihorakoraka
Fa ho avy amin'ny loharano hanondraka an han
Hanasa fery sy hifika fary izy e
Hizara vola, hitsinjatsinjaka e e
Eh oh, eh oh, didi-poitra balitako ô
Eh oh, eh oh, tapatapaka ny ahy ny litako ô (x 2)
3- Isan-taona anefa tsy maintsy misy io zavatra io
Fa fomban-drazana amin'ilay Malagasy hono io
Taty aoriana aho izay vao nahatsapa fa
Tsy maintsy hokarakaraina hono hamakafaka anahy
Zavatra holalovana, eo anoloanan'ny tena
Hahitana ny fakany, ho an'ireo be antitra ireny
Tantely mamy hono io, no hampisotroana amin'ny toaka gasy
Fa zavatra ilaina, atao amin'ilay Malagasy e e
Eh oh, eh oh, didi-poitra balitako ô
Eh oh, eh oh, tapatapaka ny ahy ny litako ô (x 2)
Fetifety milay oh, namboarina avy amin'ilay fomba gasy
Netinety milay oh, narehitra hatramin'ny afon-dasy
Falifaly ny Gasy oh, miedinedina tsy lany basy
Fa fety marain'ny andro io, noreveko amin'ilay fomba gasy
Refrain :
Hafa rehefa ny gasy no fomba a (x 2)
Hafa rehefa ny gasy no mifety e (x 2)
Iôh, mirevirevy amin'ny fety aho
Noreveko amin'ilay fomba gasy
Mirevirevy amin'ny fitiavana
Noreveko amin'ilay fomba gasy
Na mirevirevy, mampandihy oh
Reveko amin'ilay fomba gasy
Na mirevirevy, mikalokalo
Ka reveko amin'ilay fomba gasy
Refrain :
Hafa rehefa ny gasy no fomba a (x 2)
Hafa rehefa ny gasy no mifety e (x 2)
K'ANIB (2002)
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : K'ANIBHits : 129
Likes : 1 Like
Created by : hagamamytahiana2023
Date : 17/03/2026 12:55
