Tambatra (kaiamba)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dimy mianaka hono izy ireo Efa nihezaka hatramin’ny ela
Nikaroka momba ny hasambarana
Amin’ity fiainana ity
Iza re iza iza no hafaka hanambara o fa olona sambatra
Iza re iza iza no hafaka hanambara hoy aho fa olona sambatra
Anaram-biavy, i Volazara
Viavy tsara tsy mety very anjara
Tetezan’ambo rano ka be
Tsy azoko niany Alaiko amaraigna
Kalalao matin-dronono (azalahy)
Mafy matin-draha tiana tsiahy
Tsy valivaly ny nosinambo
Leka tsy maty mbola hitrotro o!
Efa ela bé izay no tsy nahitako an'azy
Malahelo anie aho Manimanina ê
Nefa atao ahôana moa mbbola ho avy ny andro iray
Na ho éla na ho haingana
Tsy maintsy mbola hihaona
Fa lasan’olon-kafa any ny malala ô!!
Tsy nametra-beloma itsony fa , nalaina nivolagna
Aza kivy mantsy e! mahereza arô
Aza kivy matse, mahereza foana
Mbola miaina eto an-tany tsy ho lany tandrifiny
Ela moa no tsy nahita anao e
Ka manantena sady miandry aky
Ela no te-ho eo anilanao e
Satria mbola ho avy ny anjarantsika roa
Nahoana kosa akia no dia andosiranao ilay foko mbola tia e
Heverinao angaha fa fahadisoana ho ahy ny nandao anao ety
Fa noho ilay fianaranao fa ndrao voahelingelina ka zary hampanenina
Asa kosa re izay mba eritreritrao
Fa ilay foko izao mandre ilay fery vaovao, malahelo
Malahelo, Malahelo aho ho'aho
hitanô fa na dia mahizign' andro
na kotro-baratra arahina oran'andro
tsy ataoko sakana tsy andeha atô
efa tsy tantin'ny foko fa aminô fogna ny eritreritro (2x)
Ny elanelan-tany Aza atao mahaketraka e
Aminao lalan-dava Ny eritreritry e
Aza adigno fa ato e Misy olo tianao o o
Farahafaharatsiny e, Taratasy alefaso o
--------
Link: