INO MARESAKA TAMATAVE ARÔ (kaiamba)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ino maresaka tamatave arô
Resaka basesa malaza e
Osika basesa igny arô
rehefa mandeha, mampamanimanigna ara
Samy salut, antsimo na avaratra
Samy be mpankafy andrefana sy antsinana
Samy salama arô, amiako veloma fa tsy tamana e

Fikambanagna antsika ataovy tsara
Ho reharehan’ny gasikara
Hianaran’ny dimby sy fara
Zara koa mba misy mikarakara
Miasa mafy anao sao tara e

Matsatsara I matsatsara e
A lala e, manigna anao ô
I zaho atsia andeha hody e

Tsara tananarivo, tamatave marivorivo
Tsara fianarantsoa, toamasina soasoa
Tsara antseranana, tamatave misy seragnana
Tsara toliera, tamatave manan-kambara
Tsara majunga, toamasina migna nen’nakà e

Ino sawaba n’i tamatave arô, resaka basesa matavy e
Osika basesa igny arô
Raha an-tany lavitra magnasa mody arô
Samy salut ny atsimo na avaratra
Samy be mpankafy andrefana sy antsinana
Samy salama arô, amiako veloma fa tsy tamana e
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : kaiamba
Vangy : 194
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Aurelien Rakotonirina
Daty : 09/07/2024 10:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.074