O aza tsiahivina (Justin RAJORO)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
O aza tsiahivina ny andro taloha;
ny fotaka mandry,aoka re mba tsy hifoha.
Na inona sento iantsoana ny tody,
ny rano efa raraka dia tsy mba hifody.

Ny nenina anie tsy mahavoatra ny rava;
vao mainka mitàna ny ngidin'ny vava.
Ataovy avo sasaka re ny alahelo;
toneo ny fo na dia mamelovelo.

Ny lasa tsy akory tsy odin'ny fery,
vao mainka mikiky toa rano mahery.
Ny fanadinoana no aoka antsoina,
ny fanadinoana no aoka antsoina,
ary koa tsy ho mafy manindry ny voina...
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Justin RAJORO
Hits : 1370
Likes : 1 Like
Created by : elonty
Date : 09/05/2017 18:30
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0716