Ny marina (IZY MIANAKA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inona moa izay fiainana ety an-tany
No tsy hifanasoa, hifamingana lava eto ihany
Mba fantatrao ve ny rahona izay mitatao
Dia ny fahoriana, hadalana izay rehetra natao
Inona moa izay andro mandalo miserana
No ampijalanao ireo namana tsy ifandeferana
Raha azo atao,aok'izay fa banjino ny ho avy
Ry rahalahy sy namana, mitalaho aminao, miangavy
Maninona raha miezaka manao ny marina
Ny ratsy foana ve no avela hanjaka eto an-tany
Ny lalana, ny mahitsy no aoka harahina
Mba tsy hanenenao ao aoriana ny vokatr'izany

Inona moa izay andro mandalo miserana ?
No ampijalianao ireo namana tsy ifandeferana?
Mba fantatrao ve ny rahona izay mitatao ?
Dia ny fahoriana, hadalana izay rehetra natao
Maninona raha miezaka manao ny marina?
Ny ratsy foana ve no avela hanjaka eto an-tany ?
Ny lalana, ny mahitsy no aoka harahina
Mba tsy hanenenanao ao aoriana ny ho vokatr'izany
Fa maninona raha miezaka manao ny marina?
Ny ratsy foana ve no avela hanjaka eto an-tany ?
Ny lalana, ny mahitsy no aoka harahina
Mba tsy hanenenanao ao aoriana ny ho vokatr'izany
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : IZY MIANAKA
Hits : 87
Likes : 0 Like
Created by : dahfara
Date : 23/04/2024 12:22
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0853