'Lay namako (IVK (FPVK Androndra Fitiavana))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)
Misy namako iray
Tso-po tsara fanahy
Namako hatrin'ny ela
Nanohana ahy tsy hianjera
Akaikiko,anilako

Maro ireo namana
Efa nananana
Fa raha ny eto an-tany
Dia tsapako fa hafa ihany
'lay namako,tsy ahafoy fa tanako

Réf :
Ianao namako hatrizay
Tsy nahafoy ,tsy nahasaraka ahy
Ilay ngiahy ny fiainako
Nihaino ny fitarainako
Ianao no nananatra ahy
Nanitsy raha tsy nahay
Dia nanampy ahy tokoa
K'isaorako fa tena namako

1)
Malahelo ianao
Noho ireo 'reo ditra natao
Nefa nanantena
Ny hananako fahendrena

Noho ny fahotako
Sy ny hadalako
Dia foiny ny ainy
Ny ahasambatra ahy no ao an-tsainy
Tsy zakako,Maty 'lay namako

Réf:

Sambatra aho mana-namana
Manana anao ry Jesoa
Namana mpitari-dalana
K'isaorako eram-po

Misy namako iray tso-po tsara fanahy
Namako hatrin'ny ela
Nanohana ahy tsy hianjera
K'isaorako fa tena namako
Tena namako
Ianao ry Jesoa.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : IVK (FPVK Androndra Fitiavana)
Hits : 138
Likes : 1 Like
Created by : VLKK
Date : 03/04/2026 18:48
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0552