Tsimbazaza (Ifanihy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tena tsy tafita
Ilay fiarahantsika
Indrisy akia rasipa ô!ô!ô!ô!
Satria izato ianao
Toa efa tena lao
Ka nikisaka nandao
Soa ihany 'kia
Ity badolahindrÿ
Fa mba very dia
Nankeny an-Tsimbazaza
Hanjono sy hihaza
Vahivavy mba sahaza

Hitsangatsangana e!e!e!eie!
Ho eny tsimbazaza eny aho e, hanadino anao.
Dia hirenireny aho e, hitady vaovao.
Mba ho solonao ô!ôh!ôh!

Fa tsy matiko lolo
Ilay vorondolo
Mampitsangam-bolo!
Fa toa manaramaso
Toa miantso hoe andraso
Dia hoatra andrÿ manao solomaso
Ilay rameva indray
Izay nafaran'ilay
Lehilahy izay
Mitsako mandavantaona
Ka toa tsaroako foana
Indri ilay mihinana siligaoma

Hitsangatsangana e!e!e!eie!...

Ilay gidro avy any an'ala
Ilay tsy manan-tsahala
Ntsônalé malala ô!ô!ô!ô!
Toa mampahatsiaro akia
Ny salovantavandrÿ
Ilay mahatehotia
Ny sahona maneno
Injao mamelovelo
Mamoha alahelo
Tsaroako foana endre,
Ilay angoatendan'ise
Ilay manao "karaoké"

Hitsangatsangana e!e!e!eie!

Fa tena mahavariana
Ilay fitoviana
Fa hono hoaho retsiana ô!ô!ô!ô!
Ireo bibidia naseho
Sy voatanisa teo
Fa angaha "cousin"sy "cousine"-nareo ?
Ka hoy aho indraindray
Hoe maninona kay,
Raha indriako amin'izay
No hidina soa aman-tsara,
Ao anaty bara
Bara vÿ makarakara?

Hitsangatsangana e!e!e!eie!
Ho eny tsimbazaza eny aho hamangivangy anao.
Hoavy ombieny ombieny hanontany vaovao.
Mombamomba anao!ôh!ôh!ôh!
Hitsangatsangana e!e!e!eie!
Ho eny tsimbazaza eny aho hamangivangy anao.
Hoavy ombieny ombieny hanontany vaovao,mombamomba anao!ôh!ôh!ôh! mombamomba anao!
--------
Link:
Comments
Dahfara ( 14/06/2017 04:31)
Raha mbola vazo miteny aloha an, aza manontany an'Ifanihy tompoko ????????????
hery ( 14/06/2017 11:24)
Ekena mihitsy
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Ifanihy
Hits : 1848
Likes : 0 Like
Created by : Dahfara
Date : 14/06/2017 07:46
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722