Tiako ianao Jesosy ! (Iandry Mario)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Refrain : Tiako ianao Jesosy ! (tiako ianao!)

Teo anilako foana ianao no nahatonga ahy ho mpandresy
Na satana aza miala maina, nandalo izy fa resy
Mpanjakan'ny mpanjaka, mahery izy ka mahery
Izy ilay tompon'ny aina, tsy manavaka fa miantso anao

Manirery ianao raha hisaraka aminy ka very
Aza misalasala tongava sao dia irery
Atolory azy ny fonao, izy hamonjy anao
Izy no handray anao, mi-salut anao aho Jesoa ô!

Refrain...

Natolony anao ny ainy ho fanavotana antsika
Ho fanalàna ny fahotana izay nataontsika
Ndao hiara-handray ny fahasoavan'ny Tompo
Izy no tena assuré, hanavotra anao amin'ny fiainana e!

Ambony ny tànana a, ambony ny tànana a!
Ambonimbony ny tànana a, ambonimbony ny tànana a!
Andao isika hiara-hitehaka a, andao isika hiara-hitehaka a!
Tehaka, tehaka, tehaka a !
Tehaka ho an'i Jesosy !

IANDRY MARIO.
Mars 2016
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Iandry Mario
Vangy : 1805
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tahiana.dafy2015
Daty : 26/07/2016 16:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1337