Fisaorana (HARIMALALA feat Françia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Endrey ry Tompo izany soa
Izay nomenao ho anay fa be dia be
Na tsy mendrika izahay
Ka fisaorana eram-po sy eran-tsaina
No atolotra Anao amin'izany

Endrey ry Tompo izany soa
Izay nomenao ho anay fa be dia be
Na tsy mendrika izahay
Ka fisaorana eram-po sy eran-tsaina
No atolotra Anao amin'izany

Ref:
Be fitiavana Ianao
Tsara loatra raha Ianao
Mahari-po, mpanome soa
Ianao ihany no toa Anao

Duo:
Ka fisaorana eram-po sy eran-tsaina
No atolotra Anao amin'izany

2) Duo:
Ianao ilay mpanome
Teny mamy ho anay
Raha sendra kivy na malahelo izahay
Tsy avelana atahotra fa efa navotanao
Nantsoinao fa Anao irery izahay

Be fitiavana Ianao
Tsara loatra raha Ianao
Mahari-po, mpanome soa
Ianao ihany no toa Anao
Ka fisaorana eram-po sy eran-tsaina
No atolotra Anao amin'izany
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : HARIMALALA feat Françia
Hits : 205
Likes : 0 Like
Created by : Mharck
Date : 19/09/2025 14:11
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2893