Mpivahiny (Groupe Hiakan'i Avo Mpandresy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mpivahiny isika, ka mandalo mbola hody
Ka tsinjovy ny dia, ho any an-danitra sa ho any amin'ny helo
Fa raha izahay misafidy e! dia ny eo an-tratra an'i Ray
Eo mantsy no misy ilay fiainana mandrakizay

Fiv : Kristianina ô! aza variana amin'ny rendrarendra
        Fa salobona ireny, misarika anao mba ho very
        Fa mandalo ihany izao, ny fiainana sy ny filany e!
        Aza kivy aza reraka, mandrosoa re ianao mba hibebaka

Hazakazaka mantsy ny fiainana ety an-tany
Na ny ho any an-danitra na ny makany amin'ny helo
Fa izao re no hafatra tiako lazaina ho hambara aminao
Ka fadio re ny ratsy dia ho voavonjy ianao

Fiv : Kristianina ô! aza variana amin'ny rendrarendra
        Fa salobona ireny, misarika anao mba ho very
        Fa mandalo ihany izao, ny fiainana sy ny filany e!
        Aza kivy aza reraka, mandrosoa re ianao mba hibebaka

Ry olombelona ô! mazotoa ianao mahareta
Amin'ny fivavahana sy fahamasinana hoy ny Tompo
Fa ety an-tany anie no misy ny fahoriana
Fa rehefa an-danitra any, migoaka fifaliana

Fiv : Kristianina ô! aza variana amin'ny rendrarendra
        Fa salobona ireny, misarika anao mba ho very
        Fa mandalo ihany izao, ny fiainana sy ny filany e!
        Aza kivy aza reraka, mandrosoa re ianao mba hibebaka

Merci à Dieu
A/C : Radoniaina Angelo
--------
Link:
Comments
Rado1349 ( 04/09/2024 18:52)
Efa hoavy ny Tompo e! mila mihomana avokoa mba tsy hisy fatiantoka
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Groupe Hiakan'i Avo Mpandresy
Hits : 69
Likes : 1 Like
Created by : Rado1349
Date : 04/09/2024 18:50
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0747