Fantatro izay inoako (FSFLM Santatra Fanantenana Ambohimasina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ny teny tokana izay tonga eo imolotro
Dia ny fitiavanao Ray, mitoetra ato am-poko
Izay fantatro fa tsy hiova mandrakizay
Fa hamafisinao eto isanandro ry Ray

Nofakafakaiko avokoa ny zava-drehetra
Ny zava-maniry ary koa ny biby rehetra
Izay tsy mba ma mafy na mijinja
Nefa omena fiainana tsara, mirindra

Ref:
Fantatro izay inoako, fantatro ilay tompoiko
Fitiavana no nomeny ho an'ireo zanany
Ka an'iza n'iza fahavalo tsy ataoko hampimalo
Satria fantatro izay inoako

2- Ho anao izay misalasala ny hanatona azy
Fantaro fa Tompo malala tsy hanao izany
Apetraho eo am-pototry ny hazo fijaliana
Izay mivesatra anao fa tsy hisy fahoriana

Fantaro fa tsy ho mora nefa izao asa izao
Fa tsy ho vitsy ireo hanakora sy handrendrika anao
Mibebaha ary koa mivavaha hatrany hatrany
Fa hivoaka ho mpandresy ireo izay manao toy izany

Ref: in-3

AC: Amboala mampita
Arr: Sonn
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : FSFLM Santatra Fanantenana Ambohimasina Itaosy
Hits : 310
Likes : 1 Like
Created by : Randriaamboala
Date : 17/02/2025 11:16
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0726